| |
FEKRITAMA : Ny tantarany Ny FEKRITAMA dia vovonam-pikambanan'ny tantsaha mpamboly sy mpiompy eto Madagasikara, mamondrona Federasiona 18 anatin'ny Faritra 18 amin'ny 22 eto Madagasikara. Nitsiry tamin'ny volana novambra 1987 tao Manandona Antsirabe ny foto-kevitra hanangana azy, nandritra ny atrikasa nandraisan'ny solontenan'ny tantsaha 70 avy amin'ny lafivalon'ny Nosy anjara, nandalina ny lohahevitra hoe: "Paikady amin'ny fampandrosoana eny ambanivohitra".
Sata sendikaly no nijoroany natao hoe Federasiona Kristianin'ny Tantsaha Malagasy na FEKRITAMA ny volana septambra 1988 tamin'ny Kongresy voalohany fananganana tao Soanindrariny Antsirabe. Ny taona 1988 hatramin'ny 1996 dia nifantoka tamin'ny fanentanana ny tantsaha hivondrona anatin'ny sendika fototra ny FEKRITAMA, nifampizara ny vaovaon'ny tontolo ambanivohitra, nanofana ny tantsaha amin'ny fitantanana fikambanana, nifanakalo traikefa sy vokatra, nanohana ny tantsaha tamin'ny tetikasa madinika amin'ny famokarana sy ny fampisamboram-bola amin'ny famokarana ary nampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin'ny sehatra samihafa eto an-toerana sy manerantany.
Nanomboka ny taona 1996, ny tetikasa ara-piharian'ny FEKRITAMA dia najoro ho tahiry sy fampisamborana atao hoe TITEM izay nosarahana ara-pitantanana amin'ny FEKRITAMA foibe.
Hatramin'ny taona 2000 dia niezaka nampivoatra ny rafitra isan-tsampana sy isaky ny zotram-pamokarana ny FEKRITAMA. Ireo rafitra ireo mirohy anatin'ny federasiona no mitondra ny FEKRITAMA ho « Fivondronamben'ny Tantsaha Malagasy » ankehitriny.
Rantsana "tantsaha" anivon'ny Sendika Kristianina Malagasy na SEKRIMA ny Fivondronambe.
Tsy afa-misaraka amin'ny zava-misy iainana eto amin'ny firenena ny FEKRITAMA, satria ny tantsaha no mandrafitra ny 80%-n'ny mponina eto, sady isan'ireo tany mivelona amin'ny asam-pamokarana i Madagasikara.
|
|